Tonga soa

TONGASOA ETO AMIN’NY MALAGASY AHO

Ny Malagasy aho dia faly mandray anao eto amin’ny tranonkalany ary manantena sy maniry mba hitondra fanambinana ho anao ny fandalovanao eto.

INONA NY MALAGASY AHO?

Ny Malagasy Aho dia sehatra iray ahafahana miresaka sy mitafa ary mandalina ny zavatra ara-panahy. Tsy misy fanavakavahana ara-pinoana, ary tsy misy fironana atsy na eroa, fa dia famelabelarana malalaka ny zavatra kely mba fantatra mikasika ny Olombelona sy Izao tontolo izao, ary Ilay nahary an’izao rehetra izao.

IZA NY MALAGASY AHO?

Ny Malagasy Aho dia fivondronan’Olombelona liana amin’ny resaka ara-panahy, ary nanao fanadiadiana amin’ny resaka ara-panahy ka te-hizara amin’ny Malagasy mitovy rà aminy ny zavatra hita tamin’ny fanadiadiana.

NY TANJON’NY MALAGASY AHO

Natao koa izao ho fahatsiarovana ireo Ray aman-dReny zoky nahaleo nahalasana izay notahafina mba ahazoana ny fahendrena amin’izao fitafiana vatana Malagasy izao ka nametrahana ny fanontaniana hoe : « Inona no mba ho entiko ho anao ry Tanindrazako satria Malagasy aho, ary ho faty Malagasy, Madagasikara no Tanindrazako ?».

Dia toy izany, Docteur Rakotonirainy Joseph izany, izany Ralitavaratra na Ali Tawarath izany, izany Norbert Andriamahandry izany, izany Pasteur Ravelojaona izany, izany mompera Razafitsalama Dama-Ntsoa izany, izany Mahefamanana Mosa izany, izany Rabedaoro Samuel izany, izany Kasanga Fernand izany, izany Rastefanoël Roger (Kaky Raozy) izany, izany Maître Rakotondrainibe izany, izany I Abanimaka izany, izany Andriamahazonoro sy  ny namany dimy lahy izany, izany Gabriel Razafimandimby izany, izany Pôly fotsivolo izany, izany Rajery izany sy ny sisa e …. !

Natao koa izao mba tsy hisy Malagasy hiteny fa tsy mba natolotra azy ny fahalalana hizorana amin’ny fahendrena.

INONA NY HO RESAHANA ETO AMIN’NY TRANONKALA?

Efa voalaza teo aloha fa ny zavatra ara-panahy no ho resahina eto amin’ny tranonkala. Na dia izany aza anefa, dia tsy ho vita ho resahina sy hovelabelarina eto daholo ny zavatra ara-panahy rehetra. Manaraka izany, tsy tambo isaina ny finoana sy ny antoko-pinoana misy eto ambonin’ny tany, ka roa na telo amin’ireo ihany no notanana eto amin’ny Malagasy Aho. Ary raha mahazo fanambinana isika dia hotovanana eny an-dalana eny ihany ny isan’izy ireo.

Ankehitriny ary faly ny Malagasy aho manolotra anao ny dikan-teny amin’ny teny Malagasy ny Bhagavad-gita (ny hiran’ny sambatra). Manarak’izany, mba ahamora ny fandalinana ny Bhagavad-gita, dia indro atolotrin’ny Malagasy aho anao ihany koa ny Famoaboasana ny Bhagavad-gita. Ireo boky roa ireo dia sangan’asan’I Dokotera Rakotonirainy Joseph. Ary farany, dia indro ihany koa sombin-tantaran’ny sorabe sy ny foko Antemoro Anakara. Io tantara io indray dia famintinana ny boky nosoratan’Andriamatoa Kasanga Fernand sy Randriankatibo Mahefamanana Mosa ary Andriamatoa Rombaka Jacques Philippe.

Izay ary no izy tompoko lahy sy tompoko vavy fa tsy hitazona anao ela intsony izahay fa dia mahazoa sitraka amin’ny famakian-teny. Isaorana be dia be ianao nitsidika ny Malagasy aho.

Mirary soa.

Ho eo aminareo anie ny fiadanana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Entrez Captcha ici : *

Reload Image