TENY MIALOHA

Ity no Ikopa malaza hoy ny fitenenana, nefa mba nisy firy moa ny olona no efa niorika izanyony izany, ka efa nahita ny toearana niandohany, ny lohasa sy ny bikan’ny tany ipoirany ary ny ahitra sy ny zavamaitso tsy diso anjara any an-doharano any ?
Toy izany koa no azo hiheverana ny Firenena Malagasyankehitriny, ity no Firenena Malagasy, nefa nisy firy moa ny olona efa niorika ny tantarany k ate hahafantatra ny tany niandohany sy ny hasoan’ ny toerana niainany tany am_boalohany ?
Izany toetrany sy hasoany tany amboalohany izany no tianay ho porofoina sy haseo etoana na dia tsy fantatra tanteraka aza ny toerana voalohany niandohany!
Irahan’ny mpandinika maro tsy miangatra manaiky fa Tatsinana no fotoben’ ny Firenena Malagasy koa raha izany dia rariny raha any antsinanana no hikatsahantsika ny tantara. K any isika no hiorika ny Rano, dia hohitantsika fa toerana anankiray tao Lemurie tao no nipoiran’ izay atao hoe Firenena Malagasy, arak’ izay nolazain ‘ I mon pere Razafitsalama hoe: « Efa vita tany antoerana hafa tany ivelan’ iMadagasikara sy sivilizasiona sy ny findronana Malagasy vao tonga teto ny razany ».
Dia atao hoe tafaverina eo amin ‘ io toerana nialana io isika ankehitriny ka dia miara mijery fiaimpiainan’ ny razana Malagasy ity, tamin’ izany fotoana izany Eo amin’ io toerana misy antsika io no ahitantsika hazavana kely anakiray hitarika antsika ho ao amin’ ny mazava lehibe anankiray. Ilay mazava kely anankiray di any teny Malagasy hoe: Zanahary sy ny hoe Hary. Io no ony.
Aoka ary hiorika izany ony Malagasy izany isika ka andao hiara-milomano ao amin’ io ony io hatrany amin’izany loharano lalin’ io zanahary io; dia andramantsika ny hiaraha migoka izany rano izany ahafantarantsika sy ahatsiarovantsika ny maha isika antsika Malagasy.
Io HARY io no loharanon’ ny hiran’ ny sambatra na ny BHAGAVAD GITA izany, izany Hira malaza eran’ ny India hatramin’ izao ary efa nohiraina hatrany Malaizia fahagola, koa raha avy any antsinana ary no razantsika, dia rariny, raha amotopototra ny amin’ izany loharano izany isika ndrao mba mety hahafantarantsika marimarina fa efa mba nisotro tamin’ io loharano io koa ny razantsika.
Ho fanaporofoana izany ary no anton’ ity Boky ity; ho fahampatsiarovantena ity firenena Malagasy ity , izay firenena mitatra eran’ ity Nosy ity, avy tany amin’ ny vohitra kely tany India fahizay fa efa tonga firenena lanja miakatra ankehitriny eto Madagasikara izy.
Hoy izahay: ny Fanahin’izany firenena kely tany ampiandohana izany dia niraikitra ao aminy ny hasoan’ izany loharano izany, ka dia izany no antony hanaovanay ity boky ity hoe:
« Fisainana Malagasy ao anaty ny Bhagavad Gita sy ny firenena Malagasy ».
Ny teny sanskrity rehetra voalaza ato dia toy izao ny famaky azy:
Ny u dia tononina toy ny o malagasy
Ny o dia tononina toy ny ô Malagasy
Ny r mitsangana dia tononina hoe ry
Ny d mitsangana dia tononina toy hoe dra Malagasy
Ny t mitsangana dia toy ny tra Malagasy
Ny e dia toy ny tsa Malagasy
Ny j dia toy ny j malagasy mandrakariva
Ny g dia toy ny g mandrakariva
Ny s dia toy ny s mandrakariva
Ny S mitsangana sy ny ç dia toy ny sh mandrakariva
Ny toy izany hita amin’ ny hoe smi na ham dia apositrofy misolo a tsy tononina
Ny â dia a lava kokoa noho ny tsotra
Ny an dia vakiana toy ny ao amin’ ny Malagasy
Ny ai dia sahala amin’ ny ai Malagasy
Ny akisentra amin’ ny sanskrity dia mitovy amin’ ny akisentra malagasy.