TENY FANOLORANA

Ity boky ity dia naverina nadika ho fanomezam-boninahitra sy ho mari-pahatsiarovana ny sangan`asa sy lovantsofina napetraky ny zoky lehibe Dokotera Rakotonirainy. Lova sarobidy navelany ho an`ny taranaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka sy ho an`izay rehetra te hihazo ny lalan`ny fahendrena sy te hampivelatra ny ara-panahiny mba hahatonga azy ho afaka amin`ny fatoran`izao fiainana manodoka izao.

Mirakitra ny fampianarana rehetra izay feno fahendrena lalina ho an`izay rehetra mamaky, mandalina sy manaraka ny foto-pampianaran`ny Yoga ity boky ity.

Ny famoaboasana dia manome fanazavana feno sy mazava ny fampianarana rehetra izay nomen`I Shri Krishna an`I Arjona araka izay voasoatra ao amin`ny Bhagavad Gita.

Koa izay manana maso aoka hahita, izay mantsaina aoka hahatakatra ary izay manan-tsofina aoka handre ny hatsaran`ilay hiran`ny sambatra.

FAMOABOASANA MOMBA NY BHAGAVAD-GITA

Ity famoaboasana momba ny Bhagavad-Gita ity dia mizara ho toko efatra toy izao:

  • Toko voalohany : Ny fanambarana lehibe;
  • Toko faharoa : Ny Gita: Boky fampianarana Yoga;
  • Toko fahatelo : Fampianarana Yoga sy Bhakti;
  • Toko fahaefatra : Fahalalana sy fahafoizan-tena.

Toko I: Ny fanambarana lehibe

Ity toko voalohany ity dia mamelabelatra amintsika ny foto-kevitra ijoroan’ny Bhagavad-Gita ary manazava amintsika ny votoatim-pahendrena fonosin’ny fampianaran’I Shri Krishna.

Toko faha-2 : Ny Gita: Boky fampianarana Yoga

Ity toko faharoa ity dia mamelabelatra ny mikasika ny Yoga sy ny fanaovana asa. Ao amin’ity toko ity ihany koa no ahafantarantsika ny tena Yogi.

Toko faha-3 : Fampianarana Yoga sy Bhakti

Ity toko fahatelo ity dia miresaka ny fototry ny Yoga sy fanatanterahana ny Yoga. Ao amin’ity toko ity ihany koa ny ahafantarantsika ny lalana roa eo amin’ny fiainana sy ny toetra telon’ny fahatsiarovan-tena (konsiansy) sy ny fiasan’io fahatsiarovan-tena io eo amin’ny fiainana.

Toko faha-4 : Fahalalana sy fahafoizan-tena

Ity toko fahaefatra ity dia misahana ny Yogam-pahalalana sy ny Yogan’ny fanatitra. Ao amin’ity toko ity ihany koa no ahafantarantsika ny tena adidy ka azahoantsika manavaka sy mamantatra tsara ny adidy ao amin’ny tsy adidy sy ny tsy adidy ao amin’ny adidy.