FANOLORANA

Mifandray amin’ny vazantany efatra i Madagasikara araka ny sori-dàlana arahina ankehitriny. Araka izany raha mitodika miatsinanana isika dia sendra ilay tany lehibe, India, izay faharoa eto ambonin’ny tany raha ny habetsahan’ny mponina no heverina. Lohalaharana izy amin’ny tsy fombàny ny atsy na ny aroa koa vao maika akaiky azy ara-poto-kevitra isika amin’ny lafiny iraisam-pirenena. Ny Pandit NEHRU no fototr’izany sori-dàlana izany, izay notohizan’ny zanany Indira GANDHI ary ity Praiministra ity dia afaka manambara fa India dia sakaizan’ny firenena rehetra eto amin’izao tontolo izao. Azo inoana fa tsy hivaona amin’izany foto-kevitra izany ny zanany Rajiv GHANDI izay mandimby azy ary ho tahaka izany koa ireo mpitondra indiana any aoriana ka ny fahafahana no homeny toerana lehibe.

Fikatsahana ny fandriampahalemana no anton’ny tsy fombana ny atsy sy ny aroa. Izany dia miorim-paka amin’ny sivilizasiona indiana an’arivo taona tany aloha tany ary fiteny rahateo ny hoe « India nipoiran’ny fahendrena ». Izany sivilisaziona lasa lavitra tamin’ny fandrosoana izany no niainan’ny mponina manamorona ny renirano Indus – avy amin’io no nihavian’ny teny India – 3000 taona talohan’ny Jesoa Kristy. Tamin’izany fotoana izany dia efa nisaina lalina ireo mponina ireo ny momba ny toetran’ity izao tontolo izao ity sy ny amin’ny fiainan’ny olombelona. Raha nanao lahatsoratra izy dia ny teny sanskrit tranainy no nampiasainy ary tononkalo miventy ny zavaboahary no nangoniny tamin’ny « veda ». Ny « upanishad » kosa no nahitana ny fandinihana sy ny fiheverana mikasika ny olombelona sy ny tontolo iainany ary ireny taty aoriana no nianteheran’ny fampianarana filozofika araka ny hindoisma.

Tahaka ny fahita matetika eo amin’ny tantara dia nitosaka ny mponina nihoatra ny moron’ny renirano Indus ary dia rafitra ny ady tamin’ny manodidina. Tantaran’ny iray tamin’ireny ady ireny no nanjarian’ny Bhagavadgita, no afohezina amin’ny hoe Gita, izay namakivaky ny taona an-jatony ary tonga fantatra manerana ny tany. Ny votoatin’ny tantara dia resaka ifamalian’olona roa eo an-tany fiadiana, ny mpiady Arjona sy ny Andriamanitra hita vatana Krishna. Manontany tena i Arjona, mieritreritra fatratra amin’ny anton’ny iadiana. Inona no manosika azy amin’izao zavatra ataony izao, nahoana no miaina eto an-tany izy? Mamaly azy i Krishna ary manoro azy fa tsy izay ho vokatry ny atao no tokony imasohana, tsy iandrasana tombon-tsoa ny tsara izay atao, ny feon’ny fieritreretana irery no mibaiko, dia tojo ny fahafahana ara-tsaina sy ara-panahy.

Fanta-daza ilay mpitolona indiana ho an’ny fahaleovantenam-pireneny dia ny Mahatma GANDHI. Nampihatra izany fampianarana izany tamin’ny fiainany izy ary koa tamin’ny tolona izay nataony. Ny fisainany lalina amin’io fampianarana io no nahatonga azy hampijoro ny tsangan-kevitra, izay tsy misaraka amin’ny anarany, dia ny tsy fampiasan-kery ary narahany ara-baki-teny izany raha nitaky ny fiandrianam-pirenen’i India izy. Amin’ny soratra navelany dia lazain’i GANDHI fa tao amin’ny Gita no nahitany fiononana rehefa diso fanantenana izy ary ny fampianarana notovoziny tamin’ny Gita no nampitsiky azy raha nanatrika ady sarotra izy.

Ny hevitra fonosin’ny Gita dia sady filozofika no ara-pivavahana. Ho hita ao amin’ny soratra ny finoan’ny Hindo fa ny Gita dia manome ny olombelona ny torolalana avy amin’Andriamanitra mitafy nofo izay mitarika ny kalesy mamakivaky ny saha fiadiana, dia ny fiainana izany. Azo raisina koa ny boky ho sahala amin’ny sary lehibe izay mampiseho ny olana ara-pahanin’ny olombelona ary omeny ny vaha-olana. Amin’ny zava-manan’aina rehetra dia ny olombelona ihany no voatery mirotsaka eo an-tany fiadiana ary miatrika ny ady ho amin’ny fahamarinana. Olon-kendry sy mpanao tononkalo tany India fahiny, VYASA, no namorona ny Mahabharata izay mintantara ny dia sy fiainan’olona malaza – karazan’ny Odysee-n’i Homera – Tokony ho diman-jato taona talohan’i Jesoa Kristy no niseho izy io ary sokajy iray ao amin’ny Gita.

Tononkalo mamim-bahoaka ny Gita ary olona an-tapitrisa no nanovo herim-panahy taminy nandritra ny taon-jato maro ka mandrak’ankehitriny. Manome hery tokoa mantsy izy ho an’izay mikatsaka fihavaozam-panahy mba ho enti-miaina. Amin’ny olona tahaka an’i GANDHI izay nisaina mandrakariva ny ho fihetsiny dia tsy mifanipaka fa mifameno aza ny fampianaran’ny Gita sy ny filazantsaran’ny Kristiana, Ny hafatra raiketin’ny Gita dia miompana amin’ny fahendrena tranainy nolovana avy tamin’ny « upanishad ». Soritana fa manondro fifehezan-tena koa izy, dia ny « Yoga-sastra », ka ny fampiasana an’io no mitondra ho amin’ny tanjona farany dia ny fahalavorariana sy ny fiadanana.

Hita ary fa lalim-paka ao amin’ny fisainandry zareo any India ny fiezahana ho amin’ny fiadanana sy ny fandriampahalemana. Koa tsy mahagaga nony azo ny fahaleovan-tena raha mpisava-lalana ary tonga andrin’ny tsy fombàna ny atsy na ny aroa i India afaka. Loa-bava mantsy i NEHRU, izay nitondra raha vao lasa ny mpanjanaka, ka nilaza fa nanome ny endriny maha-India an’i India ny Gita.

Tsy natao ho an’i India ihany ny Gita. Na iza na iza dia afaka mandinika azy amin’ny maha-loharanom-pahendrena azy. Isika aty Madagasikara koa, ary satria efa voadika amin’ny fitenintsika izy, dia mahazo mamadibadika azy ka vakio ary tsakotsakoy izay azonao tao aminy.

Dr C. RABENORO,

Filohan’ny Akademia Malagasy ANTANANARIVO